Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 84 987 amin’ny teny malagasy

Pejy rehetra · Sokajy · Fikambanana · Fanoroana

Takelak’ity volana ity

Ny Andriandoriamanjaka dia taranaka iray eto Imerina no niandohany.

Rabiby (fiandohan'ny taonjato faha-16 taorian'i Kristy), mpanjaka arabo jiosy teo Ambohidrabiby dia nanan-janaka telo ka ny vavimatoa dia i Rabefaravolamanjaka ary ny vavy aivo dia i Ramaintsoanala (niova anarana ho Randapavola). Nisy vady namboarina roa teo Ambohidrabiby tamin'ny nanjakan-dRabiby. Raha tonga hangataka an-dRabefaravolamanjaka Andriamanelo mpanjakan'Alasora dia i Randapavola no nomen-dRabiby ho vadiny fa Rabefaravolamanjaka kosa nomeny ho vadin'Andrianamboninolona, zanak'Andriamananitany. Ny Andriandoriamanjaka dia iantsoana ireo zana-dRabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona zanak'Andriamananitany. Ao antampon'ilay tendrombohitra avo voahodidina hadivory eroa ampita avaratra antsinanan'Ambohidrabiby, atao hoe "Ambohitrandriananahary", no namponenan-dRabiby i Rabefaravolamanjaka sy ireo zanany ary ao Rabefaravolamanjaka no miafina.

(tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

I Filipina na amin’ny anarany lava Repoblikan’i Filipina, na amin’ny fiteny tagalaogy Republika ng Pilipinas, na amin’ny fiteny anglisy, Republic of the Philippines, dia firenena iray eo amin’ny tambanosy miisa nosy 7 107 ary manana velarantany telo hetsy kilometatra toradroa (90%-n’ny velarantan’i Filipina ny nosy roa ambin’ny folo lehibe indrindra). Nosy mahery ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan’ireo nosy tsy manana anarana. Any amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika no misy an’i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i Taiwan any avaratra, ny faritany atsinanan’i Malaizia (Borneo), Brunei, ary Indonezia (Faritany Indonezianin’i Borneo na Kalimantan).

Ireo faritany telon’i Filipina dia Luzon, Visaya ary Mindanao. Ny nosin’i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindran’ny firenena, ary ao no misy ny renivohiny Manila ary ny tanàna lehibe indrindra Quezon City, miisa 15 tapitrisa mponina. Eo amin’ny faritany afovoan’i Filipina no misy an’i Visaya, ahitana ny nosy Negros, Cebu, Bohol, Panay, Masbate, Samar ary Leyte. Any atsimo no ahitana an’i Mindanao, nosy faharoa amin’ny velarantaniny. Davao, Marawi ary Zamboanga ary Cagayan no tanàna lehibe ao amin’ny nosin’i Mindanao. Any atsimo andrefan’i Mindanao no ahitana ireo nosin’i Sulu ohatr’i Basila, Jolo ary Tawi Tawi ; akaikin’i Borneo no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran’ny vondrona isilamista mpampatahotra Abu Sayyaf. Any andrefan’i Visaya no misy ny tamba-nosin’i Palawan, miisa nosy 1 700.

(tohiny...)

 Sarin’ity herinandro ity

◄ ►


 Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ady an-trano fahatelo ao Santrafrika, Krizy politika ao Tailandy, Ady an-trano ao Siria, Fanjavonan'ny sidina MH370, Fikorontanana ao Okraina, Krizin'ny trosa ao amin'ny Faritra Euro [ovaina]


 Efemerida

Alahady, 27 Mey 2018

Mbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Alahady 27 Mey ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity.

Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny.

Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy)

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :

m:Fandraisana
Meta-Wiki
Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra
wikt:Fandraisana
Wikibolana
Raki-bolana malalaka
n:Fandraisana
Wikigazety
Gazety malalaka (incubator)
b:Fandraisana
Wikiboky
Lahatsoratra sy boky malalaka
q:Fandraisana
Wikitanisa
raki-pitanisana

(incubator)

s:Fandraisana
Wikifamakiam-boky
famakiam-boky

(tetikasa iraisana)

v:Fandraisana
Wikiversite
Komonitia Pedagôjika

(Wikiversite iraisana)

wikispecies:Fandraisana
Wikispecies
Tetikasa iraisana
commons:Accueil
Wikimedia Commons
Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia



This article is issued from Wikipedia. The text is licensed under Creative Commons - Attribution - Sharealike. Additional terms may apply for the media files.