Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 93 535 amin’ny teny malagasy

Pejy rehetra · Sokajy · Fikambanana · Fanoroana

Takelak’ity volana ity

Ny fiteny malagasy dia tenim-pirenen'ny Repoblikan'i Madagasikara. Ny teny malagasy dia ao amin'ny fianankavian-tenin'ny teny barito (ao amin'ny teny aostronezianina). Any Banjarmasin, nosin'i Kalimantan (Indonezia) no foiben'ny fiteny barito. Ny teny akaikikaikin'ny teny malagasy ankehitriny dia ny fiteny maaniany. Misy koa ny fiteny samihima sy ny fiteny dosona deiaha sns. Ny fiteny malay izao no teny miasa eo amin'io nosy io. Araka ny antontanisan'ny Akademia malagasy dia ny 83,61% dia tsy miteny afatsy ny teny malagasy.

Ny endriky ny teny malagasy dia tsy tahaka ireo fiteny ao Afrika satria io fiteny io dia ao amin'ny vondrona malaiô-pôlineziana, sampan'ny vondrona aostrôneziana. Ny fiavian'ny teny malagasy dia fantatr'ireo mpandini-piteny hatry ny taonjato faha-19. Ny teny malagasy dia mitovy vondrom-piteny amin'ny fiteny baritô avy amin'ny faritany atsimo atsinanan'ny Nosy Bôrneô. Betsaka ny fitovizan'ny teny malagasy amin'ny fiteny ma'aniany, fiteny tenenina eo amin'ny faritry ny renirano Baritô, ao atsimon'i Bôrneô. Lazaina fa mponina aotrôneziana avy amin'ny tamba-nosy maley nandalo tany Bôrneô no nipetraka teto Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton'io fifindrana io. Taonjato maro taty aoriana, nifangaro tamin'ny Arabo sy ny Masombika (Afrikana avy amin'ny tontolo soahily) ny mponina aostrôneziana. (tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Ny fanandroana malagasy dia endriky ny fanandroana ataon'ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray andaniny, amin'ny toerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, indrindra ny Volana, ankilany, araka ny tetiandro nentin-drazana malagasy sy ny fifandraisan'izany amin'ny ho toetr'ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Izany fifandraisana izany no atao hoe vintana. Ambaran'ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin'ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin'ny alalan'ny fanalana vintana na fanalana faditra raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintan-dratsy io. Tsy ny vintana mifandray amin'ny Volana sy ny kintana ihany anefa no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin'ny andro ao amin'ny herinandro sy ny fizaràn'ny andro, ka hatramin'ny fizaran-taona sy ny taona koa. Manampy izany ny lafintany (atsimo, avaratra, atsinanana sns) sy ny zavatra hafa toy ny tany, ny rivotra, ny afo ary ny rano sns. Tsy ny volana sy ny andro ihany no manan-danja eo amin'ny fanandroana malagasy fa ny fizarazaran'ny andro koa, toy ny maraina sy ny tolakandro, ny andro sy ny alina, ny miposaka masoandro sy ny mitatao vovonana sy ny milentika masoandro sns. Noho izany dia tsy ny fotoana ihany no sahanin'ny fanandroana malagasy fa ny erana na ny habaka koa.

Fanao andavanandro teto Madagasikara ny fankanesana any amin'ny mpanandro teo amin'ireo andriana tamin'ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tao Imerina teo antenantenan'ny taonjato faha-19 dia nahay nanandro ny iray ampahatelon'ny olona.

Araka ny finoan-drazana malagasy dia lova avy amin'ny ray aman-dreny na talenta avy amin'ny Zanahary ny fanandroana. Ilain'ny Nataolo malagasy ny manontany mpanandro alohan'ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantatra na hitokana zavatra, handevina sns. (tohiny...)

 Sarin’ny anio

◄ ►


 Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao, Brexit[ovaina]


 Efemerida

1 Janoary

  • Taom-baovao ofisialy amin'ny firenena maro izay mampiasa ny kalandrie gregôrianina na kalandrie jiolianina
  • Fankalazana ny fahaleovantena any Haiti (1804) ary any Boroney (1984)
  • 1983 Fanovana ny protokoly fifandraisana amin'ny tambajotran'i ARPANET ho TCP/IP izay fotoana nihatombohan'ny Aterineto araky ny fahafantarantsika ankehitriny.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :

Meta-Wiki
Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra
Wikibolana
Raki-bolana malalaka
Wikigazety
Gazety malalaka (incubator)
Wikiboky
Lahatsoratra sy boky malalaka
Wikitanisa
raki-pitanisana

(incubator)

Wikifamakiam-boky
famakiam-boky

(tetikasa iraisana)

Wikiversite
Komonitia Pedagôjika

(Wikiversite iraisana)

Wikispecies
Tetikasa iraisana
Wikimedia Commons
Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia



This article is issued from Wikipedia. The text is licensed under Creative Commons - Attribution - Sharealike. Additional terms may apply for the media files.