Kirosy Lehibe

I Kirosy Lehibe, izay atao hoe Kirosy II, dia mpanjakan'i Persia tamin'ny taona 559 hatramin'ny taona 530 tal. J.K., teraka tamin'ny taona 590 tal. J.K. ary maty ny taona 529 tal. J.K. I Kambisesy I no rainy. Ny vadiny dia Kasandana. Ny zanany dia i Bardia, i Atosa, i Artistona, i Roksane ary i Kambisesy II. Izy no nanorina ny Empira persiana (na persa) izay nandimby ny Fanjakana medianita (na meda). Avy amin'ny teny persiana tranainy hoe Kûrash izay midika hoe "masoandro" io anarany io. Atao hoe Sirosy Lehibe na Sirosy II koa izy amin'ny teny malagasy notakarina amin'ny fanononana frantsay.

Kirosy Lehibe
Ankapobeny
AnaranaKirosy Lehibe
Teraka590 tal. J.K.
Maty529 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :Tsy fantatra
Fiainana manokana

Isan'ny fianakavia-manjakan'ny Akemenida (na Asemenida) izy. Fanafihana sy famaboan-tany etsy sy eroa tsy nisy toa azy no nanamarika ny fotoana nanjakany: rehefa avy nampanaiky ny fanapahany ny Mediana (na Meda) izy dia nanjaka koa tamin'ny Fanjakan'ny Lidia sy ny tanàn-dehibe grika tao Ionia, avy eo tamin'ny Empira babiloniana vaovao (isan'izany i Mesopotamia, i Siria, ireo tanan-dehibe foinikiana ary i Jodea). Maty nandritra ny ady nifanaovany tamin'ireo Masageta (grika: Μασσαγέται / Massagetai) i Kirosy Lehibe. Ny fanjakàny dia nanova ny tantaran'izao tontolo izao tamin'ny Andro Taloha.

Jereo koa

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirosy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirosy Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariosy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianosy - Dariosy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariosy III.

Rohy ivelany

  • Ao amin'i Freebase:
This article is issued from Wikipedia. The text is licensed under Creative Commons - Attribution - Sharealike. Additional terms may apply for the media files.